Pilofasy (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa nolanjaina dia toa tsy mampino
Izy ireo mitovy (2)
Fa ’zaho koa mba gaga, tsy hoe mijangajanga
Izy reo mitovy e, izy ireo mitovy.

    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba ho anjarako
    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba hahazo ny foko.

Tsy mba sangisangy fa vazana sy vangy
Fa vary sy rano, marina tsy angano.
Eny tsy mitovy ny rap sy blouse ee
Fa ny fitiavako anazy e, dia mitovy, mitovy.

    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba ho anjarako
    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba hahazo ny foko.

Ity vatako manontolo no mitsangatsangam-bolo,
Hatrany anatiko any toa tsara kolokolo.
Saingy mijaly misafidy, mangina oriory.
Misentosento lava, tsy mba mety ho ampy tory.

    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba ho anjarako
    Fa tiako izy e, tiako ianao
    Anaovinareo pilofasy izay mba hahazo ny foko.

Fa rehefa nolanjaina dia toa tsy mampino.
Izy ireo mitovy (2)
Fa ’zaho koa mba gagagaga, tsy hoe mijangajanga am’nao zah.
Izy reo mitovy e, izy ireo mitovy.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rah-Ckiky
Hits : 12218
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 30/07/2002 15:50
Audio
Excerpt Add to playlist
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5194