BOITE POSTALE (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ummh Ray ô aiza ho aiza ny lalana hahazoako miakatra any e!
Izay lalovako eto @ ny tanàna mpiatsara velatsihy, bevaka sy be vinany e!
Ray ô, tsisy elakela-ntrano izay manitsy hiakarako any aminao mihitsy ve any e!
Efa leo aho ka mitomany

Tabataba sy rà mandriaka isan’andro, fiainana tsy mba misy masoandro ny anay e!
Solan’ny lohaliko mangataka, ritra ny ranomasoko hono ho’a mba sana e!
Tabataba sy rà mandriaka isan’andro, fiainana tsy mba misy masoandro ny anay e!
Solan’ny lohaliko mangataka, ritra ny ranomasoko hono ho’a mba sana e!

Fa mba hono hoa, aiza ho aiza ao @ baiboly no mba misy ilay numéron’ny boîte postale misy anao?,
hanoratako sao mba misy demony, fantatro fa tsisy ho an’ny gasy hoa ny sezan’ny fiaranao
Fa ny sasany @ireo mantsy, mandeha miangona fa tsy mivavaka akory,
Tsy manaraka ny Anao, fa mahasosotra, fa mahasosotra ahy daholo

Tabataba sy rà mandriaka isan’andro, fiainana tsy mba misy masoandro ny anay e!
Solan’ny lohaliko mangataka, ritra ny ranomasoko hono hoa mba sana e!
Tabataba sy rà mandriaka isan’andro, fiainana tsy mba misy masoandro ny anay e!
Solan’ny lohaliko mangataka, ritra ny ranomasoko hono hoa mba marina e!

O aza ariana zaho, aza ariana zaho, na jiolahimboto be toy izany e!
O aza ariana zaho, aza ariana zaho, mararin'ny hopitaly e!

Miseho milay ramanahirana!!!
Allahkbar
Allelouiah, Allelouiah hossana
Allelouiah, Allelouiah Amen.
Amen, Amen. Heyii.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rah-Ckiky
Vangy : 5209
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rina
Daty : 21/03/2003 13:13
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113