12h.5 (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soa soa a! ny fitiavana angalarina ekena fa mafana saingy mira na égale fijangajangana, oe! Oe!oe!
Na izaho na ianao toa tsy mba nisaina akory ireto vady anakiroa tsy sambatra fa ory a
Soa soa, ’reo revy rehetra rehetra efa tapitra natao tena tamin-tsitrapo na tamin’ahy na taminao oe!!
Ireo jobako taloha nofoanako daholo na ry Dina, ry Sabine, na ry Kalamenavolo,
Ianao, ianao saro-piaro, asa na fitiavan-tena noho ilay fato-maty taorian’ny fanekena oe!!
Fa tamin’ny andro sasak’alina nandaozana ny taona nampitambatra ilay ilo izay efa ela no te-hihaona oa!!
Izaho saro-piaro , asa na fitiavan-tena noho ilay fato-maty taorian’ny fanekena oe!!
Fa tamin’ny andro sasak’alina nandaozana ny taona nampitambatra ilay ilo izay efa ela no te-hihaona a oa!!
Andriamanitra ô, misitery sa fitiavana inona loatra re? No namatotra anay (No namatotra anay) fa raha izaho efa ela no naniry hampangatsiaka nefa toa, toa vao maika nahamay
Sa misy any ho any anjara an’elakelan-trano tsy mitoetra fa mandalo ho tantara sy ho angano,
Dia ireto vadintsika mirevy kaly mangatsiaka toa tsy hitako fa ny antsika manifika e!!
Tsaroanao ve ilay alim-podiana tany Ambodinifody toa tsy nahalala nody toy ny samy azon’ody oe!!!
Ny fandriana nikonaina nikiakiaka nitaraina
Ny lelanao nihamaina, izaho ritra ranon’aina, oa!!!
Tadidio ilay sasak’alina mahery dimy (12h.05) fa iny ora iny no nanaovana an’i dina, oe!!!
Hamaranako azy izay fiaingany fandehany, isika hifankatia ka izay hidonany any halehany an!!!
Soa soa!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rah-Ckiky
Vangy : 7141
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/03/2003 15:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205