MIHEVERA (Ny Talöha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho anie Jesô mba hiresaka Aminao
Fa feno fitaka izao tontolo izao
Ny fosafosa ao m-piangonana
Izay no fototry ny olana
Maninona anefa raha mifankatia
Amin’ity tany fandalovana ity
Raha hanompo an’i Jesô Kristy
Dia aza asiana fiatsarambelatsiy


Mivoaka ny trano ianao handeha hivavka
Tonga anya m-piangonana miditra tara
Nataonao ambanin-javatra
Ny fihaonana amin’ny Tompo Andriamanitra
Nefa tsarovy fa indray andro any
Hanadinana anao anie izany
Raha mbola miaina eto an-tany
Halaviro izany rehetra izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Talöha
Vangy : 556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sfssolo
Daty : 19/12/2020 01:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732