Ambarako ianao (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Kanefa izy anie dia maty ho ahy sy ho anao
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Kanefa izy anie manomana tany vaovao

Ref: Avia fa miandry ny fony
Avia tiany ianao ka antsoiny
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Kanefa izy anie dia maty ho ahy sy ho anao

Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Fa mankahala zoky zandry na ray sy reny koa
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Tsy toa an’i dada sy neny na i bebe taloha

Ref

Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Tsy mba mitsahatra sabata fa miasa milalao
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Ny baiboly efa milaza hoe izao sy izao atao

Vakio fa mazava ny teny
Ianaro hatrany izy ireny
Ambarako ianao fa tsy mba tia an’i Jeso
Kanefa izy anie dia maty ho ahy sy ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ako
Vangy : 2578
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fiffi
Daty : 23/05/2007 12:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752