SENTO (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Naverina amiko indray ny toloko
Izay namelana tao anaty
Nofohazina indray ireo sento
Izay nampijaly ahy hatrizay
Izy ilay nantenaina mba hanarina
Ireo voatanisa teo aloha
Toa nanampy trotraka indray
Tsy hita hanankinana ny fo
Ny nivavahana
Namonjy amin’ny sarotra
Nampiala tao anaty lavaka a!
Nanilaka tsy taitra
Ny fahadisoana izay natao
Ho entina ho hevitra mba handao ahy
Nifarana hatreo indray ireo tsiky
Mba niarahana hatreo
Toa lavitra avokoa izay aleha
Rehefa indro mandeha irery
’Reo namana mahatsiaro
Mamonjy amin’ny sarotra
Nampiala tao anaty haizina a!a!
Nanifika tsy taitra
Dia toa mamalifaly ery
Ho entina ho hevitra mba handao ahy
Mba hivavahana (2x)
Mba hisarahana (2x)
Mba hivavahana (2x)
Mba hisarahana
Mba hivavahana

NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 2878
Likes : 0 Like
Created by : Linah D
Date : 12/08/2003 15:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727