Ilay rivotra (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ILAY RIVOTRA
Ilay rivotra mitsoka izay
Dia avy any an-tsinanana any
Mitondra bitsika ho ahy
Nalefanao any mba ho ahy

Namirifiry io rivotra io
Ka tsapako avy hatrany
Fa mangatsiaka ilay fitia
Nitsiry tanatinao

Any ambadika any ho any ianao
Manadino ny momba ahy
Izaho anefa mba manantena anao
Hanarina ny fiainako

Ny rivotra aty aminay
Dia mitondra vovoka foana
Manditsoka ny masoko
Tsy hahitako ny lalako intsony

Io vovoka nentin-drivotra io
No hinoako fa manaratsy anao
Tsy ahoako anefa izany
Tsy mampiova ny fiainako

Tsy ny rivotra anefa no entiko
Hahafantarako ny endrikao
Fa aleo mifanatri-tava aloha
Toy izay handendrikendrika foana anao

Tsy naharitra aho ka nandeha
Nanatona anao
Gaga anefa aho satria
Mbola mpifankatia izaho sy ianao

Tsy mba hihaino io rivotra io intsony aho
Sy ny mety ho lazany ahy
Fa mandiso ny lalako izany
Tsy hanantona anao fa hankahala anao ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 10770
Likes : 0 Like
Created by : r.n.judie
Date : 01/08/2013 21:37
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115