Vorombazaha (Njara Marcel)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny hono izy ra-VorombazahaAza entina hanaraka anao any antsaha
Fa homeko fitiavana
Fa iny hono izy ra-Vorombazaha
Aza entina hanalavitra anah
Fa hozaraiko fitiavana be
Mientanentanana ny foko tena faly
Pi-maso sy dona kely amin'ilay nahary
Fa nahita masoandro ilay silaky ny aiko, dia
Toa zary nofo leisy ialahy tao an-kibo
Nandakandaka kely nampitaraina an'i mama io
Toa mahafatifaty, velom-bolo ny ao anaty.
Fa fanomezana ho anay leisy ialahy
Fifamenoana vokatr'ilay fitiavana matotra
Tsy nanenenana fa fahasambarana izany
Fa fahasoavana ho anay leisy ialahy
Fifamenoana vokatr'ilay fitiavana matotra
Tsy nanenenana fa fahasambarana izany.
Iny hono izy ra-Vorombazaha
Aza entina hanaraka anao any antsaha
Fa homeko fitiavana
Fa iny hono izy ra-Vorombazaha
Aza entina hanalavitra anah
Fa hozaraiko fitiavana be
Hisedra olana ialahy mety hitomany
Ataovy an-tsaina fa ny bandy mijoro hatrany yeah
Safidio ihany izay ho atao ho namana leisy
Ho tojo fitia tsy ampoizina ialahy
Hitaraina sy hibabababa fa
Tsy quoi izany fa mbola hahita ilay anjara ialahy leisy
Fa tsy haiko ialahy na ho mpanakanto na ho dokotera
Fa tsy andriko izay mba hifandonam-bera leisy a,
Tsy ratsy koa anefa raha be afera sady miliaridera.
Iny hono izy ra-Vorombazaha
Aza entina hanaraka anao any antsaha
Fa homeko fitiavana
Fa iny hono izy ra-Vorombazaha
Aza entina hanalavitra anah
Fa hozaraiko fitiavana be
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Njara MarcelHits : 780
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 28/12/2022 16:00