veloma (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh...
Toa tsy mba misy vaovao mahafaly ny haino aman-jery
Labozia tokana mirehitra foana no hitako eny ho eny
Toa vahotrany ny lela nandre hoe ianao nandao ny tany
Lasa any amin'ny tontolo tsy hita maso namonjy izany paradisa izany

Mahatsiaro reraka ny saina torovana ny aina
Izao vao mitamberina antsaina hoe fandalovana ny ety

Veloma mandrapihaona
Nitombo iray ny kintana ambony hiaro ahy eny foana
Veloma mandrapihaona
Any andro iray isika mbola hihaona

Oh...

Manaova ny soa sy ny tsara tsy ho fantatrao ny ampitso
Raiso ho anatra ny fiainana anio
Ahitsio izay diso
Fa hafatra mafonja no tiako ambara aminao androany
Isika rehetra izao dia mbola ho vovon-tany

Oh...

Veloma mandrampihaona
Nitombo iray ny kintana ambony hiaro ahy eny foana
Veloma mandrampihaona
Any andro iray isika mbola hihaona

Veloma mandrapihaona
Nitombo iray ny kintana ambony hiaro ahy eny foana
Veloma mandrapihaona
Any andro iray isika mbola hihaona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njara Marcel
Hits : 30
Likes : 1 Like
Created by : Mah0Finaritra
Date : 24/01/2026 07:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0914