Havako, Namako (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mihafahafa ry reto a
Tsy olon-kafa akory ny eto a
Fa izahay tsy lavitra anareo o
Havanareo aho

Na dia mbola tsy hitako ianao
Na izao ary aho vao mba hitanao
Efa mpihavana hatrizay isika e
Sy ny fontsika
N’inona n’inona izay mahavariana e
Tsy hifanariana

Havako o, ia, havako ianao fa aza miahiahy
Havako namako oia, Nofo sy rà ny anao sy ny ahy
Inona indray
Ny fanahy, natao mba hampiray
Antsika mandrakizay

Njakatiana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njakatiana
Hits : 9737
Likes : 1 Like
Created by : zoubelou
Date : 22/03/2007 19:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801