You are here: home > Tononkira > Njakatiana

Aza dia omena tsiny (Njakatiana)

https://tononkira.serasera.org/hira/njakatiana/aza-dia-omena-tsiny

Aza dia omena tsiny aho
Raha toa tsy lafatra
Hatramin’izay, hatramin’izao aho
Miezaka foana, foana
Fa mbola osa aho
Efa reraka aho
Nanao ny azo atao
Fa mahantra ve aho ka halanao

Aza dia omena tsiny aho
Raha tsy manaitra anao
Hatramin’izay, hatramin’izao aho
Te hihaingo foana foana
Fa ratsy akanjo aho
Rikoriko ianao
Na inona atao
Fa maloto aho ve ka halanaTsiky dia ampyo

Ô ry iseako, ô ry lalako ô!
Izay ny aty!
Ô ry kintana, ô ry volana ô!
Midina ety!
Ary hoy aho hoe mba ampio aho akia
Amin’izay izaho sy ianao samy tia!

Aza dia omena tsiny aho
Raha tsy haiko ny fiteninao
Hatramin’izay, hatramin’izao aho
Te hahazo foana foana
Fa tsy nozarinao
Mbola gasy anie aho
Efa fantatrao
Tsy vazaha ve aho ka ambanianao


Ô ry iseako, ô ry lalako ô!...

Hevitra mandeha

rfanomezantoky (03/03/2020 09:18:40)

ndriiiiiii ry tony e!
Hoatra ahy mihitsy izy e

rfanomezantoky (03/03/2020 09:17:50)

ndriiiiiii ry tony e!
Hoatra ahy lihitsy izy e

J.Ranie (21/02/2017 12:50:22)

Mmmhhh!!??

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 14639
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : dd
Tamin'ny : 02/03/2004 21:05:50
ID : 2283

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo