Tadidiko (Nanté98)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
•Prélude•Tadidiko hoe iza no akama tadidiko hoe iza no tsia
Tadidiko elah
•Verse 1•
Tadidiko hoe iza no akama tadidiko hoe iza no tsia
Tadidiko ianao fa notiaviko fa tadidiko ianao tsy nitia ahy
Tad'hiditra anatin'ny fiainako elah nefa omaly tadidiko elah nanadino ahy
Fa 'zao zah tadidinlah dia anjarako indray izao ny mba manadino
Tadidiko hoe tsisy tadidiko daholo rehefa tena high aho
Tadidinao ve zao hoe iza ilay namanao be il y a un an?
'Zao efa tsisy miresaka tsony, tadidiko hoe tsisy namaly nantsoina rzalah frera
Fa tadidiko hoe lindina*** aho dia aleoko mandeha @tenako rery
Tadidiko hoe nanao ny ratsy aho mivaly amin'ahy lay izy rehefa miezaka manao ny tsara aho
Tadidin'ny fiainako izany fantaro mazaka elah matoa mitsara ah
Tadidiko hoe mila ambiniko daholo ny teny mivoaka ny vavako
Tadidiko hoe mila adinoko hoe mila misorà ny vatako
•Chorus•
Tadidiko ny hafa,
Tadidiko hoe rava izay rehetra nantsangana
Adinoko Ny Avo,
indraindray maloto ny foko eh
Tompo ô mifoana ah
Tadidiko hoe mila mifoha ah
Tadidiko hoe mila mifoha ah
Tompo ô mifoana ah
•Verse 2•
Tadidiko hoe enao fa adinoko hoe tao amin'ny fiainako
Tafiditra enao fa tsy hijanona raha mba fantatrao ny fomba fisainako
'Zah tsy mahatadidy tsara ny tantarantsika hoe iza no diso dia iza no tsia
Iza no nampalasa mangatsiaka hoe iza amintsika
Dia misy miteny hoe marary ny fitiavana ny hafa
Fa tadidinao ve fa tsy misy marary ohatran'ny havana maty
Tadidiko hoe 'zah mba te hiavaka mafy dia aleoko nanao izay nampiavaka
Any ka adinoko hoe tsika eto Dago dia betsaka ny olona mpangala-tahaka
Tadidiko hoe 'zah rery no afaka hamonjy ahy amin'ny tenako
Tadidiko hoe mila valiako daholo ny fanontaniana napetrako
Tadidio fa tsisy mahatsindry elah zah tsy misangy miteny an'izany
Matoa io vitan'ny hafa dia vitanlah f'aza be fanahiana ry zandry
Tadidio izany hafatro izany
•Chorus•
Tadidiko ny hafa,
Tadidiko hoe rava izay rehetra nantsangana
Adinoko Ny Avo,
indraindray maloto ny foko eh
Tompo ô mifoana ah
Tadidiko hoe mila mifoha ah
Tadidiko hoe mila mifoha ah
Tompo ô mifoana ah
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Nanté98Hits : 81
Likes : 0 Like
Created by : kolokoloina
Date : 04/11/2024 16:59