Manaiky anao (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Averiko eto anio ilay voady
Ilay voady nifanaovatsika
Fony isika roa nivady
Nifanaiky hifampitantana
Hiaradalana...dia hifankatia
Mety betsaka ny adiady
Nefa tsy ahavoafafa izany
Fa na mbola hifampibaby aza
Tsika tsy hifanary izany
Efa isika no niara nametraka e
Miara-paly miaraka ketraka e
Ka miaraka manatanteraka e
Ilay nofinofy ...

Nofinofiko ho lasa mpihira hitety an'izao rehetra izao
Enao kosa ho renimpianakaviana no sady afaka miasa birao
Anaty tokantrano lafatra ...dia miaraka sambatra
arak'ilay hafatra

Natao hoe Miandra aho satria miandrandra anao
Natao hoe Hanta ianao mba hiantahanta amiko
Natao hoe Miandra aho satria miandrandra anao
Natao hoe Hanta ianao mba hiantahanta amiko
Manaiky anao
nanaiky anao
Ary mbola hanaiky anao aho

Betsaka agamba ny teny
Fa ny tena rehetra tsy voalazako
Betsaka izy ireny
No mifangaroaro ato ambavako
Teny tokana mafonja
Ary iray minitra monja
No hilazako hoe misaotra e
Tena misaotra e
Misaotra anao nahavita niaritra
Tsy isan'andro mahafinaritra
Mety hajombona izy mety hanorana
Fa ho manga foana ny lanitra
Raha toa ka eo akaikinao aho
Mpitahiry izany nofiko...nekeko ho vadiko

Nofinofiko ho lasa mpihira hitety an'izao rehetra izao
Enao kosa ho renimpianakaviana no sady afaka miasa birao
Anaty tokantrano lafatra ...dia miaraka sambatra
arak'ilay hafatra

Natao hoe Miandra aho satria miandrandra anao
Natao hoe Hanta ianao mba hiantahanta amiko
Natao hoe Miandra aho satria miandrandra anao
Natao hoe Hanta ianao mba hiantahanta amiko
Manaiky anao
nanaiky anao
Ary mbola hanaiky anao aho

Mr Sayda
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 11805
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : tsiresymilson
Daty : 24/03/2018 15:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722