Haritiany ianao (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ôiô iô (Ôiô iô)
Hm hm hm (Hm hm hm)

Fa ohatran' ny hoe variana samy niara-nilalao
Dia nihodina ny taona, enin-taona lasa ianao
Natao kilalao na mazàna samy hoe lao
Fa raha misy tavela 'lay fitiavana, amelao
Satria ny tantaram-piainako lasa tantaranao
Ary tiako raha ny anarako lasa anaranao
Satria koa 'reo fahavalontsika manarangara anao
Ka mety ho hakatonao amiko ny varavaranao

Fa ny tsara tsy mba lany nefa ny anilanao mamy e
Ny olona aza gaga mahita anah manontany
Hoe mba rahoviana ihany
Sa mbola samy zaza tsika, ohatran'ny vao omaly e

Tiany ianao, ary tena tiany ianao e x4

Mety hoe tara fahatongavana nefa tsy fanahy iniana e
'Lay nihaonantsika omaly, mino aho fa tsy farany iny e
Fitiavantsika mamy tsisy fahalaniany e
Haritiany ianao, ary tena tiany e

Tiany, tena tiany, adalanao ka tena foiny
Tsy nananany alahelo f'efa lasanao ny fony
Hatramin'ny iray minitra voalohany nahalalany anao
No efa nanekeny mahazava fa izy no malàlanao

Niverina any aoriana ny famataranora
'Lay roapolo minitra nahalalako anao voalohany
Mitamberina mangina na mangidy aza tsaroana
Ohatran'tsy nitiavako ny sipanao taloha
Fa mamy ianao ho anazy fa ny antsika kilalao
Fa sangisangintsika iny ka tsy maintsy hifandao
Ny hasambaranao angamba no vadim-pahasambarany
Anah ianao am'izao fa ho anazy ianao amin'ny farany e

Fa ny tsara tsy mba lany nefa ny anilanao mamy
Ny olona aza gaga mahita anah manontany
Hoe mba rahoviana ihany e
Sa mbola samy zaza tsika, ohatran'ny vao omaly e

Tiany ianao, ary tena tiany ianao e x4

Mety hoe tara fahatongavana nefa tsy fanahy iniana e
'Lay nihaonantsika omaly, mino aho fa tsy farany iny e
Fitiavantsika mamy tsisy fahalaniany e
Haritiany ianao, ary tena tiany e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 2838
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : josihary
Daty : 08/09/2018 07:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1701