Tonga Hamonjy (Mpanangana ny Faneva)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga Hamonjy sy mba hanavao
Ny fonao sy ny fiaiananao
Ilay mpamonjy ,Nefa tsy noraisinao
Ilay fitiavany fa nolavinao tsotrzao
Ahitra sy loto no mba nandray
Ilay Mpanjaka ny lanitra tety
Nefa ny fonao sy ny foko indrindra
No lapa katsahiny

Nefa izy tsy mba nanery antsika
Fa nanambitamby nandefitra koa
Tsy mba namaly ny heloko
Sy ny helokao fa be famindram po


Tonga ho sakaiza tsika mpanota
Fa tsy hiantso ny marina akory
Hamerina indray ireo efa very
Mba hiverina aminy indray
Izy no Lalana hizoratsika
Ho amin'ny fiaianana mandrakzay
Izy no Mpanjaka hitsara ny asa tsika
Ety rahatrizay

Koa evero ny fanahinao ka
Homano handray ilay Mpanjaka
Tsitoha ,sao dia hanenina rehefa
Tonga ny andro hitsarana anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mpanangana ny Faneva
Hits : 199
Likes : 0 Like
Created by : 220501
Date : 08/12/2023 13:42
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0708