MITSANGÀNA (Milanto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MITSANGÀNA

Mahatsiaro tsy mendrika intsony ianao
Mahatsapa resy, tsy mety ho tafarina
Feno hakiviana, sento sy tomany
Ny fiainanao maizina tsisy hazavana

Izao no hambarako aminao
Fa misy fanantenana ho anao
Tsarovy ilay Nahary anao
Izy anie efa miandry
Miandry anao...

Ref:
"Avia manantòna ry zanako! Mitsangàna!
Ny tànako dia hatolotro ho famonjena anao
Matokia ahy malalako! Tiako ianao
F'Izaho anie dia ho eo anilanao mandrakizay...
Mitsangàna...!"

Mety efa maro ireo ratsy vitanao
Na nilomano tanatin'ny fahotana

Izao no hambarako aminao
Fa mbola misy fanantenana ho anao
Tsarovy 'lay Nahary anao
Izy anie efa miandry..
Miandry anao.. ohh

ref...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Milanto
Hits : 104
Likes : 0 Like
Created by : Milantoharivony
Date : 22/04/2024 19:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799