Tsy ekenay (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY EKENAY

Ninoninona zava-miseho
sanatria aminay re ny mitoreo.
F'efa vonona hizaka ny mafy,
efa zatra mijoro raha misy migafy.
Ny esoeso tsy atao hampitsoaka,
vao maika mapiakatra ny hambom-po.
tsy matahotra basy mipoaka
fa ahifikifika ny volon-doha.
Ianareo izay manao ny tsy mety
no misehoseho ho mananatra anay.
Trano maoderina, fiara vaventy
no azonareo amin'ny volanay.
Manafin-kilema nefa mpangalatra ambony latabatra,
mameno paosy.
Malama vava rehefa mivavaka,
nefa manodina harena sy sosy.


Tsy ekenay! Inareo no matavy.
izahay miasa mafy, manavy!
Tsy ekenay! ianareo no manao risoriso
izahay no masiso
Tsy ekenay!Ianareo no mandoto,
izahay no manasa maloto
Tsy ekenay! ianareo no manota,
izahay indray no miditra am-ponja
Eh! eh!eh! eh! eh! eh! eh! (X4)

Tsy ekenay! ianareo no mpangoron-karena
tany sy trano
Tsy ekenay! Izahay kanefa mahantra
hidiran'angano
Tsy ekenay! ianareo mihabolangina,
voky sy maniry trafo
Tsy ekenay! izahay miasa mafy kanefa tsy ampy sakafo
Eh! eh!eh! eh! eh! eh! eh! (X4)


Tandremo tandremo fa ny vazaha,
ny vahaza mody miady fa mihavana hatrany.
Ny gasy kanefa dia mody mihavana;
ny kibay eny an-kelika ihany.
Vazaha mody miady gasy mody mihavana;
fitiavan-tena miampy politika.
Lasa varo-boba hatramin'ny tanindrazana
ny vidiny anefa tapitra tsy hita.
Eo imasom-bahoaka i Gasy
mifanorikoroka mifankatia,
rehafa tsisy mpahita i Gasy
Mifamingampingana etsy sy ery.
Mody mifankatia amin'ny andro mazava
di mizara vola, manao asa soa.
Amin'ny haizina anefa miady lava
mifamely kibay, mifanao katro-doha.


Tsy ekenay! Inareo no matavy.
izahay miasa mafy, manavy!
Tsy ekenay! ianareo no manao risoriso
izahay no masiso
Tsy ekenay!Ianareo no mandoto,
izahay no manasa maloto
Tsy ekenay! ianareo no manota,
izahay indray no miditra am-ponja
Eh! eh!eh! eh! eh! eh! eh! (X4)

Tsy ekenay! ianareo no mpangoron-karena
tany sy trano
Tsy ekenay! Izahay kanefa mahantra
hidiran'angano
Tsy ekenay! ianareo mihabolangina,
voky sy maniry trafo
Tsy ekenay! izahay miasa mafy kanefa tsy ampy sakafo
Eh! eh!eh! eh! eh! eh! eh! (X4)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mami Bastah
Hits : 18
Likes : 0 Like
Created by : Fidy Art Niaina
Date : 20/09/2024 14:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085