Sodoma vaovao (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teny iray dradraiko
Ho henon'ireo izay
Manam-panahy
Izay notendrena
Ny fifanekena
Tsy nisy nandray
Ho lasa inona ity tanàna
Fonenantsika ity
Raha toa ka laho
Tsy hahatamana
Hankarary sy hankahia

Ny tontolo iainana
Mamizaka
Mandreraka
Ireo be sandry ihany koa
Mandripaka
Mahavaky loha
Rehefa te-hivoaka ialahy
Misy setroka
Manempotra
Etsy sy eroa
Sy ny halatra

Zany 'lay tanànanay e
Mahantra sady mahamay
Matim-bono lava izao ô
Lasa sodoma vaovao

Be ireo tanora no
Midoroka
Mamofona
Ireo areti-mandoza
Toa mihanaka
Mahavalaka
Ts'hita izay iainana
Fa mampanahy
Mahaketraka
Izay no sodoma vaovao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mage 4
Hits : 3043
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 03/03/2015 01:12
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116