Izy ve (Mage 4)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manontany tena aho hoe ianao any veMahatsiaro sambatra toy ny fahiny teo anilako
Fony ianao mbola tokam-po?
Izy ve mba mampangiana anao
Raha sendra tomany ianao maratran'ny bedibediny
Sa ianao no manambitamby azy?
Izy ve mba nahasahy nihiniana taminao
Fa raha solafaka ianao
Izy tsy handao?
Izaho tsy mino hoe izy no hahavita
Ny hifona aminao
Raha nisy ditra nataony tany ho any
F'ianao no tomany miangavy azy foana
Ianao mahalala hoe izy no hifindra
Raha mihena ny mamy, izy tsy ho hita
Izaho hainao ihany, tsy vitako izany
Izaho miharitra eo foana
Ireo fanirianao ve nataony avokoa?
Ireo teny nolazainy ve tena avy ao am-po
Toy ireo teny mamiko
Ilay nandresy anao taloha?
Indraindray izy ve mba saro-piaro
Raha sendra mahita anao misento fa mba mahatsiaro
Sa latsa no ataony maro?
--------
Link:
Comments
Deenaxihjay
(
09/02/2026 06:22)
Misy diso ilay parole
hery
(
09/02/2026 16:43)
Efa hitako nahitsinao... misaotra
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Mage 4Hits : 2730
Likes : 0 Like
Created by : lantoandrianandrasanafop4029
Date : 01/03/2023 10:31
