Tsy mendrika (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1:
Tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Tsy mendrika hidiranao antranoko aho
Tsy mendrika hitsimpona ny latsaka
Avy amin'ny latabatrao aho
Tompo ô

Fiv:
Kanefa Ray
Kanefa hoy ianao hoe
Izay manatona ahy
Tsy mba ho laviko mihitsy

And 2:
Ry Tompo ô tsy mendrika aho izao
Na dia ny hanonona Ilay anaranao
Mivalo anie sady milelapaladia
Tsy hanao intsony aho fa diso taminao
Tompo ô

And 3:
Ty vonona aho ny hamela ny heloky
Ny namako izay diso tamiko
Diso aho ry Ray mba avelao ny heloko
Manenina aho, raiso ny tanako
Tompo ô


Koraita 2015
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763