Mba meteza Ianao (KORAITA (FJKM ANDROVA VAOVAO FAMONJENA - MAHAJANGA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1 :
Ry Jesosy Tompo
Mba meteza Ianao
Mba henoy ny toloko
Ao anatiko ao
Ny toloko mangina
Ao am-po tsy miloaka
Be ireo fanahiana
Ka tsy sahiko avoaka

Fiv :
Indro ifonako Tompo
Zany otako izany
Vonona aho ny hazoto
Sy hanompo hatrany
Ianao irery sisa
Antenaiko hamela
An’ireo ratsy vita
Zay nataoko hatry ny ela

And 2 :
Maro ny ratsy vita
Sy ny ota natao
Na tsy nisy nahita
Indro fa hitanao
Na any ambanin’ny tany
Na anaty aizim-pito
Hitanao hatrany
Ka hifonako im-pito

And 3 :
Ianao no nilaza
Na dia mena toa jaky
Ireo otako aza
Ka mamono mahafaty
Dia hataonao ho fotsy
Toy ny oram-panala
Ka misaotra ry Zoky
Jeso Tompo malala


KORAITA 2015
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0876