Aza ilaozana aho. (Kelly Rajerison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza ilaozana aho
Hadinoy ny lasa
Sy ireo fikasa
Na noho ireo natao
Adinoy ny ora,
Fotoana rehetra very
Nahatonga ahy ho irery
Tanatin'ny natiora
Adinoy ny androany
Ny adiadintsika
Ny fo vesarantsika
Zay toa tsy ho lany
Aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho.

Fa ho atolotro anao
Patrakala maina
Tany androy tany
Tanaty karakaina
Any am-bovoka any
No hieren'ny nofoko
Ny vatanao hilofika
Mamiko ho boboka
Hanamboarantsika tany
Hanjakan'ny fitiavana
Ka ny firiariavana
Andosirana tomany
Aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho.


Foroniko ho anao
Teny tsy voalaza
Teny tsy tam-bava
Ho atolotro anao
Tantaraiko anao
Rasoa sy Rambola
Beniomby sy Ravola
Tojo hakiviana
Tantaraiko anao
Mpifankatia maro
Maty tsisy mpiaro
Voatery nifandao
Aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho.

Tantaraiko anao
Ireo maty nanantena
Maty nahonena
Maty noho ianao
Fa any ankoatra any
Anjakan'ny fitiavana
Fitia iriariavana
Toa lavitra tomany
Fa hita tao Tritriva
Sor'akanjo roa
Ny alina nadiva
Nitsoka tao am-po
Aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho,
aza ilaozana aho.


Tonony : Dox, nadika avy tamin'ny hiran'i Jacques Brel, "ne me quitte pas"
Feony : Kelly Rajerison
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kelly Rajerison
Hits : 3818
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 18/09/2013 00:06
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027