VONOY NY ANARAKO (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay tonon-kira nosoratako ho anao fahiny
raha toa ka misy ny soniako any aza tsiny
mbà angalao gôma kely anie ka azafady
fafao, vonoy ny anarako

Tery ampototr’ilay hazo iray falehantsika
nasiako sary fo iray hoe fo iraisantsika
voasikotra eo nyanarantsika 2
ka raha mandalo eo ianao
vonoy ny anarako

izao no hevitra efa tapaka
fa mety isika raha misaraka
tsy izaho irery no nifidy fa ianao koa
nandramatsika ny namerina
ilay fitia fa tsy niverina
ka aoka izay fa atao ahoana moa
tsy anjara angahan y antsika 2

tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina
ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina
koa hafarako anao izao rehefa tsy ho anao
vonoy ny anarako

satria efa noroahinao hiàla tato ampoko
ilay fitia n,omeko anao kanjo zary toloko
dia olon-kafa indray no hiditra ao
hitondra aina vaovao
vonoy ny anarako

na ao anaty diarinao na eny ambany sary
na eo  imolotrao na any anaty fo marary
ny any anaty kalokaloko sy hirako aza  dia izao
vonoy ny anarako!!!....
--------
Link:
Comments
Nirylova ( 16/06/2024 21:53)
Mitady ny horompeo, tena feon‘i Jérôme Randria „Vobis ny anarako“ Ny misy sary vidéo-ny aloha angamba tsy ho azo e. Misaotra am-panajàna
Nirylova ( 17/06/2024 11:32)
Azafady fa misy diso kely „vonoy ny anarako“ nohirain‘i Jérôme Randria no marina
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jérôme Randria
Hits : 18438
Likes : 3 Like
Created by : lemenakely
Date : 21/06/2006 10:55
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112