VALIHA FARARANO (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha lazaina aloha
Hafa ny amiko
Indray Asabotsy hariva izay tao tononkira.serasera.org an-trano

Izaho irery moa
Sorena be tokoa
Varivarian'alahelo toa ny mamo

Teo am-parafara
Teo nivahiny
Sarinao, penina sy jraqmtkv taratasy

Te hanoratra aho
Te hihira koa
Nifangaro anefa ireny tao am-po

Tsy tsaroako akory
Renoka aho natory
Nanonofy toa nahita anao hatrany

Nifoha avy teo
Hay nisy feo
Vetsovetso mba voasoratro ihany

Teny ankiroa efa djnayk fantatrao
Nosoratako tamin'ny sarinao
Teny kely ihany
Kely nefa mamy
Mifono hasambarana tsy lany

Teny oisbt tena mamy
Toa ny loharano
Mihirotsaka fitia manganohano
Toa feom-baliha fararano

JEROME RANDRIA

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jérôme Randria
Hits : 9229
Likes : 0 Like
Created by : fahamarinana
Date : 30/01/2011 12:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0298