Zanak'i Mama (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro efa ela be lesy ny Maman'ialahy
Nefa tsy hitako hatramin'izao zay mba Dadan'ialahy
Mbola any ve izy izay, sa efa lanin'ny voay ô?
Raha izany tokoa, atao ahoana moa?

Fa raha mbola tsy lanin' ny voay àry ny Dadan'ialahy
Dia nahoana no tsy mba mijery ny Maman 'ialahy?
Sa i Maman'ialahy tsy tia, matoa i Dadan'ialahy tsy aty ô?
Raha ny amin' izay indray dia miala izahay

Tsy mbola ny hitany hatrizay
Izay tena vadin'ny Mamany
Ny omaly niova ho hafa indray
Toa maro ihany ny dadany
Fa nahazatra azy angamba
Ny manan-dray be dia be
Ny mamany mijangajanga
Ho fameloman’azy anie

Matoa ialahy toy izao dia Maman' 'ialahy
Nefa isaory ihany koa ireo dadan'ialahy
Fa ireo no nanampy, nameno ny tsy ampy
Solon-dray tsy hita, ilay ray naditra

Aza tadiavina akory izay Dadan'ialahy
Rahefa olona fotsiny ialahy dia zaran'ialahy
Fa i mama no nanao, nahavita an'ialahy toy izao
Izay no ataovy ao an-tsaina k’aza mitaraina

Tsy mbola ny hitany hatrizay
Izay tena vadin'ny Mamany
Ny omaly niova ho hafa indray
Toa maro izany dadany
Fa nahazatra azy angamba
Ny manan-dray be dia be
Ny mamany mpijangajanga
Ho fameloman’azy anie
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jeneraly
Hits : 302
Likes : 0 Like
Created by : Mbinana
Date : 16/09/2025 14:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0186