TSIA, TSY MISY ANENENAKO (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha lasa ny fisainako,
dia injao fa mitamberimberina ao
ny tantarantsika niainako
ka manjary alahelovako anao
Nefa moa sarobidy ny hatanorana,
tsy tokony ho simbasimbana
laniana amin’izay hadalana
     koa nahoana moa
     no ciln hamoy fo aqiohdf ?

Tsy mbola izaho irery akory
no miaritra ny mafy eto an-tany,
mbola betsaka ny ory
sy mitolona ao anatin’ny tomany,
Nefa samy tononkira.serasera.org milanja ny hazo fijaliana,
milanja mora ny azy mangina,
miandrandra ny lanitra hifaliana
   koa nahoana moa
       no hamoy fo ?

Ref. :
      Tsia, tsy misy anenenako !
      tsia, tsy tokony hiverenako
      ny lalana nodiaviko
            tanilanao,
      ianao izay notiaviko
            hatramin’izao
       tsy misy anenenako,
     tetac   ny ho avy no tandremako.

        Henri RATSIMBAZAFY
                      1967

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0311