Mamy indray ny miaina (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataoko fa rehefa mipaika ny 60 taona
Dia lasa sy milefa ny masoandro lohataona,
Hany hery sisa mandefa ny fisainana
Ary mitanisa ny andro izay niainana.

Kinanjo nony tonga ireto zafikely,
Tsy lainga na somonga fa tena tsy hita velively.
Ny hafalian'ny fo, ny hasambaran-tsaina,
Dia tsapanao tokoa fa mamy indray ny miaina.

Raha sendra ka manavy dia lasalasa ny eritreritra
Ny saina mamosavy, ka indro fa miherikerika
Mila ireo nateraka ny saina sy ny fo
Mahatsiaro reraka, kanefa ho aiza moa

Kinanjo nony tonga ireto zafikely,
Tsy lainga na somonga fa tena tsy hita velively.
Ny hafalian'ny fo, ny hasambaran-tsaina,
Dia tsapanao tokoa fa mamy indray ny miaina.

Raha sendra mba mitranga ny soa mitondra haravoana,
Tsaroana misy banga, tsy feno tsara fa nahoana ?
Faly samirery ireto izahay mivady,
Moa va tsy olom-bery ka mila ho rafitra ady.

Kinanjo nony tonga ireto zafikely,
Tsy lainga na somonga fa tena tsy hita velively.
Ny hafalian'ny fo, ny hasambaran-tsaina,
Dia tsapanao tokoa fa mamy indray ny miaina.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0705