Kanefa ianao ry Iarivo (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny meva dia misy dia misy,
Ny fatratra be ihany koa,
Na London na i Parisy
Dia maha te ho tia avokoa.

Ekeko fa tena malaza
New York ary koa Chicago,
Ary maro koa ny milaza
Hoe fatratra i Mexico.

Kanefa ianao ry Iarivo
Tanàna nipoiran'ny aiko
No iray ao anatin'ny arivo
Nambabo ny fo sy ny saiko.

Ny ngeza sy manan-tantara
Pékin, Hong Kong, Shanghai,
Ny kely kanefa koa tsara
Toa an-dry Tahiti sy Hawaii.

Ry Naples, Rome, Venizy,
Ry Vienne ary koa Moscou,
Dia indraindraina izay ts'izy
Lazaina ho tsy hita noanoa.

Kanefa ianao ry Iarivo
Tanàna nipoiran'ny aiko
No iray ao anatin'ny arivo
Nambabo ny fo sy ny saiko.

Jerena ny ery Besarety
Ampandrana, Ambanidia,
Ny lalana ety dia ety,
Ny trano efa tonta ery.

Aleha indray Mandihalaza
Tsy hafa fa toy izany koa,
Isotry dia he ratsy laza
Tsy hita izay tena soa.

Kanefa ianao ry Iarivo
Tanàna nipoiran'ny aiko
No iray ao anatin'ny arivo
Nambabo ny fo sy ny saiko.

Henri Ratsimbazafy 1979
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Henri Ratsimbazafy
Hits : 240
Likes : 0 Like
Created by : jantina
Date : 02/11/2023 15:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724