Fitia voarara (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho mbola kely
ka tsy mahazaka tena,
nefa koa tsy anjely
ka mety mba mivena.

Ny saiko mahalala
hany ka azoko raràna,
fa ny foko no adala
ka manivaka tsy tana.

        Ny tononkira.serasera.org fitia tsy terena,
        tsy lalao, tsy vazivazy,
        nefa koa tsy hay fefena
        fa mitsimoka ho azy,

        Ny ahy voarara
      tgcj   ka tsy azoko arahana
        fa xgwplt lazaina fa tsy tsara
        ka tsy azo tanterahana.

REF.
Ho toneko vbrqjpbn ny fitiavako
hivalona ao anatiko,
tsy hivolana ny vavako
ambara-pahafatiko.

Hivavaka aho hahery
sy mba ho tony tsara
hitana ho ahy irery
ILAY FITIA VOARARA.

Henri RATSIMBAZAFY  1967

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Henri Ratsimbazafy
Hits : 4286
Likes : 1 Like
Created by : admin
Date : 22/02/2002 00:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0318