Tompo ô (Groupe Lalao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô mba henoinao ‘ty mpanomponao
Fa mitalaho, ô avelao ‘reo ota natao
Tsy mendrika hanonona ny Anaranao aho
Fa fo maloto ny ao anatiko ao
‘Reo ota nandràranao niniako natao
Toa tsy sahy aho milaza Aminao

Fantatro ihany anefa fa be fitiavana Ianao
Mamela ireo izay mifona Aminao
Misaotra Anao aho fa fantatro fa tia ahy Ianao
Ô avelao ‘reo ota natao

Nandany ny andro tamin’ny rendrarendra aho
Ka nanadino ny anatra natao
Nanitsakitsak’ireo fanekena sy nandika ireo didinao

Tsapako ankehitriny fa raha lavitra Anao
Dia tsy haiko ny hanao ny sitraponao
‘Reo hadisoako rehetra, Jesôsy ô raha sitrakao
Ô avelao ‘reo ota natao

... ... ... ... ... ... ...

Jesô ô ! ny fivavako henoinao
Fa mitalaho, fa maniry aho hanarak’Anao
Fa tiako ny hanana fiainana vaovao
Dia fiainana miarak’Aminao
Ho sambatra, finaritra eo Anilanao
Mino aho fa mihaino ahy Ianao

‘Reo fikasako rehetra apetrako eo Aminao
Tsy hisy fanahiana ao anatiko ao
Tazòny mafy ny tanako Tompo mba tsy handao
Fa maniry aho hanarak’Anao

Mangataka ny herin’ny Fanahinao aho
Ho sahy hijoro ho vavolombelonao
Hisedra koa ny herin’ny fakam-panahy
Eo Aminao tsy manan’ahiahy

Na inon’inona hihatra eo amin’ny fiainako
Tsy asiako tahotra ny alehako
Ô raiso aho Jesô tia, fihino eo an-tratranao
Fa maniry aho hanarak’Anao
Maniry aho hanarak’Anao
Fa maniry aho hanarak’Anao

A.C : AMS
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe Lalao
Hits : 407
Likes : 1 Like
Created by : Stephan10
Date : 17/10/2023 07:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735