Ô manatona (Groupe Lalao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro fa efa nolazaina taminao
Ny amin’Ilay Jesosy Fitiavana
‘Nefa ianao zay minia
Tsy te hahalala ny Aminy
Tsarovy fa handalo fitsaràna ianao

‘Reo zavatra nataonao
Hiseho sy hibaribary avokoa
Hatramin’izay miafina
Sy izay natao tany amin’ny takona
‘Reo fahotana izay nafenina
Tao am-ponao hatrizay
Sy ireo fahotana izay tsy nifonanao
No hanameloka anao
... ... ... ... ... ... ...

Dieny mbola misy ny                                          
Fotoana azonao hifonana
Ô manatòna Azy ianao
Fa izy vonona ny hamela anao    
Amin’izay raha hiseho eo amin’ny fitsaràna ianao
Jesosy mihitsy no hijoro hisolo vava anao

Fa raha toa ka mandà
Tsy mety handray Azy ianao
Dia fandevonana
No anjara miandry anao

A.C : AMS
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Lalao
Vangy : 292
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Stephan10
Daty : 17/10/2023 09:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221