'Ndao hiara-hidera (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Ndao hiara hidera ho an'ilay Andriamanitra izay
Nanome aina ho antsika mba handovana ny lanitra.


Dieny mhola miaina ety an-tany
Isika hidera azy hatrany yy
Ny eto dia fandalovana ihany
Fa ny any andanitra any tsy mety lany
Aza kivy fa Azy ianao, tsy mitovy amin'izao tontolo izao
Ny olona miara-dia amin'ny Kristy, fa ho velona mandrakizay doria

'Ndao hiara hidera ho an'ilay Andriamanitra izay
Nanome aina ho antsika mba handovana ny lanitra.


Jesosy dia efa nampanatena
Fa sambatra izay fatra-pidera
Satria ho azonao ilah fiainana vao
'Lay fiainana nomaniny ho anao sy ho ahy
Tsy nanenina mihintsy ianao raha mandray azy ho Tomponao
Ho tampitra hatreo ny sento sy ny tomany fa hisolo haravoana hatrany.

'Ndao hiara hidera ho an'ilay Andriamanitra izay
Nanome aina ho antsika mba handovana ny lanitra.


Hidera azy hatrany hatrany
Hatreto ka hatrany an-danitra any
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Hits : 212
Likes : 0 Like
Created by : AlphaTokiniaina
Date : 02/10/2023 20:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752