SAROTRA AMIKO (GASY - RIJA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"SAROTRA AMIKO"Lavitry ny fo, izao ianao,
vao mifikitra ao an- doha, ny anaranao,
tsaroako ilay andro iray,
nozaraiko taminao hatrizay.
Rahoviana indray isika no hifankatia,
ho tafaraka sy hiara dia,
jereo, zato foko maratra,
mahatsiaro anao, adin- tsaina tsy laitra.
Izaho matoky, fa fitia hanjaka,
tsy hisy hanakana, tsy hisy hanapaka,
olon’ ory, tsy natao ho irery,
miandry anao aho, tsy mananihiany.
REF : Raha niezaka hanadino
foko saina mbola mino,
fa ianao irery ihany,
no mamiko eto an- tany
eto an- tany.
A/C : GASY - RIJA [G.R] - Aogositra 2007
Lead vocal : GASY - RIJA[G.R] / HASINA
Guitare : Tiavina
Arrangeur : Niaina Yvon RANDRIAMIHAJAZAFY
Mail : gasyrija@gmail.com
Web : http://myspace.com/gasyrija
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : GASY - RIJAHits : 2053
Likes : 0 Like
Created by : gasyrija
Date : 28/08/2007 22:33