Mafy'ah (FeniiH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Heyiiiii....FeniiiH
Ooooh...Laila
Laila:
Reraky ny fiainana ianao
Very hevitra tsy hitanao izay atao
Mahatsiaro resy ianao hoe
Tsisy mahatsapa ny ao amponao
Ny eso teny no mba azonao
Raha mba mila fankaherezana ianao
Feniih:
Ny eto antany anefa misy ambony
Misy ambany miovaova eo ihany
Mbola ho avy ihany ilay mazava
Izaho mahatoky izany
Ny mpanejika anao ao arina (dia)
Ny mpialona anao hangina(ireo)
Efa zatra manakiana
Ho gaga eo izy ho variana kah...

Refrain :
Aza kivy izany ianao
Zory hatrany ny lalanao
Izay mpanaratsy avelao any fa hey hey hey hey(2*)

Laila:
Ianao efa mihezaka foana (Ny)
Lalanao miakatra foana
Ianao irery no miady miafy
Mbola misy mpanaratsy
Feniih:
Dia na mafy na mavesatra
Ny lalana ho diavinao
Tsy nangataka tsy nihemotra fa niady teny
Teny foana elah
Niezaka teny foana enao
Na dia hoe mihevitra fa
Tsy ho mety foana olana foana
Tebiteby foana no iainanao
Laila:
Kah na misy manejika anao
Mbola ho ela izy vao toa anao
Dia tadidio fa mpandresy ianao
Feniih&Laila;:
AMIKO MPANDRESY IANAO

Refrain :
Aza kivy izany ianao
Zory hatrany ny lalanao
Izay mpanaratsy avelao any fa hey hey hey hey(2*)

FeniiH:
Indray andro any
Ho fohana ny tomany
Indray andro any
Ho tafa eo ihany
Indray andro any
Ho mazava ny andronao
Indray andro any
Tsy ho kivy intsony ianao
Kah aleo ho any
Ny olanao
Fa avia hifaly
Ity hira ity ho anao
Kah aleo ho any
Ny olanao
Fa avia hifaly
Ity hira ity ho anao

Refrain :
Aza kivy izany ianao
Zory hatrany ny lalanao
Izay mpanaratsy avelao any fa hey hey hey hey(2*)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FeniiH
Hits : 1108
Likes : 1 Like
Created by : feniih
Date : 18/06/2018 10:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749