You are here: home > Tononkira > FeniiH

RATRAKO (FeniiH)

https://tononkira.serasera.org/hira/feniih/ratrako-1

Refrain:
Za efa zatra voadinganao aho voaratra ka
Tsy mahagaga voafinganao aho
Fa any andro za ho tompon'ny laka
Mampiarina ahy latsa tsy miondrika aho mitraka

Efa fatatrao fa mankaleo ny ataonao
Fa mbola hataonao hitako iany
Tsy mahavery ana fa ny ao afara ao zakao
Hitako fa ho hitanao eo ihany
Fa ny ratsy lasa ny ho avy mbola lava
Ka aleo jerena raha ho tantinao
Ny ao ambaniko ao?

Diniho ihany izay ambara sao
Ianao ihany no ho vohatsara
Izay tsy tinao, atao amin'ny tenanao dia
Aza atao, Tsiky dia ampyamin'ny namanao fa
Indray androany, ho hitanao fa
Mety handratra, ho tratra voaratra

Refrain...

Mr Sayda
Kanefa ny lasa aza efa nodorany e
May lé tontolo ô
Ny omaly nampifamaly, fa anio kosa hikolokolo ô
Anaty ny asa sorany e, zay kay no hisasarany e
Fa ny fahasambarana tambazotra tsy handoavan-tsarany
Maimaimpoana (3) ny tsikitsikiny
Hafaliana tsy fidiny e..
Mba raiso io fa safidiny e...
Ka mino aho no mahatoky e
Fa nomeny ampitiavana e..
Aza atosika ny ondry botry tsy fatatrao izay hanao kambana eee..

Refrain...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FeniiH
Mpamaky : 338
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : feniih
Tamin'ny : 21/09/2018 21:55:40
ID : 10991

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo