MIDERA ANAO NY FOKO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Midera anao ny foko ry Ray Fa reko mandrakotra ahy ‚lay fanahy
Maneho fahagagana tokoa Ny ratsy fanao foiko avokoa
Inoako f’ireny rehetra ireny No jadona izay mampisaraka ahy
Ka tsy hanatrehako ny tavanao Zay manefy ary koa manavao

Fiv.
Tsy hita intsony re zay hatao
Fa safotry ny hafaliana aho izao
Ny tsapako dia hianao hianao
No reko fa mitoetr’anatiko ao

2
Rehefa injay mifaly ny fo Nahazo ny anjara hanao asa soa
Hitady ny ondrinao izay nania Hitantanana azy mba ho ery
Hianao raha mijery anay olom-bery Dia tsapa tokoa fa manafy hery
Ka raha hitanao fa ory izahay Izay indrindra hianao no te-handray anay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 753
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907