FITIAVAN'I JESOA (CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FITIAVAN’I JESOA

Omeko anao tsy misy fetra
ny fiainako Jesoa Malala
ka na mandao ahy ny rehetra
ianao sakaizako eo tsy mandao
Ianao jesoa ’lay tsy miova
fitiavanao tsy manam-petra
tinapakao ny gadrako
afakao ny heloko
foana teo ny mampanahy

Jesoa tsarovy ity mpanota
rehefa mby an-danitra any an-koatra
Ilay ao amin’ny fanjakanao
Jesoa ô! raha toa ka sitrakao
Toa hitako ny tananao izay
Mitsotra te-hitarika ahy
ho eo an-kavanan-dray tsitoha
ho mpandova lanitra
ho eo anilanao ry Jesoa

Mbola hataoko ho rehareha
Ny hazo fijalianao Jesoa
Izay nentinao tsy an-tery
Mba hamonjena ireo fanahy
very noho ny fahotàna
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA
Hits : 2087
Likes : 0 Like
Created by : barykely
Date : 06/06/2006 07:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811