JESOSY NO LALANA (Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ao amin'i Jesosy ihany no misy ny làlana,
Ao amin'i Jesosy ihany no fahamarinana,
Ao amin'i Jesosy ihany no misy ny fiainana
     Ao Aminy ihany no antoka hahavonjy ahy izany. (in-2)


Moa ve mba henonao izao antso izao?
Moa ve mba fantatrao ny fitiavany anao?
Moa ve mba noraisinao ny namonjeny anao?
      Tapao ny hevitrao izao dieny izao Jeso miandry anao.(in-2)


Azo antoka ny famonjena izay nataony ho ahy sy ho anao
Efa vita ny fanekena hoan'izao tontolo izao,
Ny Ràny no manadio io fahotantsika io;
     Mandehana ambarao, torio dieny izao fa voavonjy ianao. (in-2)
          

             Ao Aminy ihany no antoka hahavonjy ahy izany
             Tapao ny hevitrao izao dieny izao Jeso miandry anao
             Mandehana ambarao, torio dieny izao fa voavonjy ianao. ooooo

                                                                              CHORALE MAROMIZAHA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF)
Hits : 795
Likes : 1 Like
Created by : fraiderica2018
Date : 19/02/2019 08:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1408