Antsirabe (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao maraina koa
Dia hiomana ho any Antsirabe
Voalamiko avokoa
Ny entan-keliko hatry ny elabe
Toy ny farimbon-droa
Ao an-daona iray no fandre izao
Fidoboky ny fo
Faly hotsenain’ireo havako ao

Tsy ahoako ny hatsiaka mamanala
Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
Dia ilay tanàna misy ireo malala
Dada , Neny, zoky, zandriko
Ary nenibe sy dadabe

Rehefa tonga indray
Ny handaozanay an’Antsirabe
Izao no hiranay
Vokatry ny fo , teny tsotra hoe
Tsy ho mandrakizay
No handaozanay an’Antsirabe
Ndeha hianatra izahay
Tsofy rano re ho tafita anie

Mbola hody mbola hody tsy ho ela
Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
Fa ny mody fanafody tsy mamela
Tsy mamela hanadino anie
Hanadino ilay Antsirabe


BESSA sy LOLA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bessa
Hits : 9664
Likes : 0 Like
Created by : Andriamady Doris
Date : 16/07/2003 10:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078