Aza fotsiana (Bandin'Ambohimiadana.)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Aza fotsiana raha miteny ny Ray aman-dReny
nitondra ny mafy e!
nitondra ny mafy tamintsika izy ireny
nisotro ny rano tsy tiana,
niaritr'ireo fahoriana
izy tsy sasatra ny nanoro
matoa isika ankizy no tafajoro
ankatoavy ny anatra izay omeny
f'izay no hasambarana mba ilainy
2-
Raha sendra diso ny fiteny nolazainy
aza tsindriana e!
aza tsindriana izy f'efa reraka ny ainy
sahirana tamin'ny fivelomana
raha sendra tsy ampy ny ao ankohonana
tsy fidiny azy ny ho rerak'aina
satria efa maro ireo sombin'aina
koa samia isika ankizy mba mankatoa
fa ny Ray aman-dReny nahitana soa
daHery.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Bandin'Ambohimiadana.Hits : 27
Likes : 1 Like
Created by : DaheryJunior
Date : 23/02/2026 19:47
