Rehefa izay dia izay (Art'Jah Music)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1 : Efa tena nanaja anao o!
Tamin'ny fo zah malala ah
Nefa nataonao kilalao o!
Andao ianao miala ah
nataonao tsinotsinona ah
fitiavako anao ireny
nefa tsy mampaninona ah
fomban-javatra izany
Mahereza raha hiodina any e
mampamangy amin'ny havanao
raha resam-pitiavana tsy hitomany ah
tsy miasa saina ami'ny momba anao
(X2)
Refr (X2) :
Rehefa izay dia izay
dia izay, dia izay
Veloma bye, bye, bye
And 2 :
Tsy hoe ianao no totombitana ah
fa tsy mety hoa ilay mitambatra
na takariko ho anao ny kintana
mijaly foana ianao io tsy sambatra
efa niezaka nanao izay
rehetra nety aho efa faratampony
ilay fitiavako tsy an-katoavinao
tsy kilalao nefa kay toa lalaovinao
zao ianao vao mikiasa ny hamerina ah
efa tsakotsakon'ny nenina ah
tsy vola io ka ho asina fameriny
voankazo an'ala izay mamy no atelina ah
raha fitiavana aty dia zérô
lasa ianao tsy ampiasaiko côcô
be dia be koa no azo asolo anao
tsy m'râte an'izany aho raha sendra occasion
Refrain (X2)
And 3 :
Efa lazaiko aminao o!
izay retraretra any am-poko any
mombanao efa nosoloiko
efa madio atramin'ny tokontany
fitiavana efa tsy anjara
manova indray no itako hoe tsaratsara
ianao no namadika ny tantara
avalony ilay boky ipetraka tsara
Azafady ny aty tsy miverina ah
ny alika no mihinana ny naloany ah
bandy koa anie tsy vendrana
ka mbola hoa voanao io fahandroany ah
tohizo any izay fiaiananao
fa ny anah anie mandeha hoa azy e
afaka aminao izao afa-doza
ka mankasitraka ny avo ah
Refrain (X2)
And 4 :
Loloavina vao maika
manaikitra marary
saro-tiavina sahala amin'inona ah
ianao viavy ?
fa na tena mbola tia anao aza aho
tsy afaka ny iverina
tsy fotoana ny tambitamby izao
ianao maha kivy anah
Tsy hoe mangarom-biby an-davaka
fa aleo mifam-pivavaka dia samy tsara e
izaho mba niezaka nikatsaka
nefa ianao nandatsaka ilay zistoara ah
aleo vitaina ny amin-tsika e
aleo vitaina ny amin-tsika a
aleo vitaina ny amin--tsika roa
fa efa mangatsika aaaaaa
Refra (X2)
Tapitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Art'Jah MusicHits : 177
Likes : 1 Like
Created by : Jriih
Date : 25/06/2025 17:17
