Tiako hitoetra (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo :  
Ireo Teny izay nambaranao, Ô ry Tompo Tsitoha
No aok'hitarik'ahy izao hijoro, tsy hikoro
Hitoetra ato anaty ho vatsim-panahy
Iriko ho fiainana

1.Ireo anatranatrao sarobidy tokoa
Tari-dalàna ho ahy handroso ho soa
Fanahy tsara indrindra ô !
Mitoera ato am-po hahatonga ahy
Tena ho mpankato

Refrain :
Fa indrindra moa ireo tokim-panahy
Ireo Teny mamy izay nomenao ahy
Ireo no antoky ny heriko manainga ny foko
Hitia anao

2.Ny fifandraisako aminao mba Iriko tokoa
Mba hamiratra amin'ny fiainako manontolo
K'izay sitrapoko aoka handefitra
Fa ny Anao no hanjaka ao

CODA
Tsy izay sitrapoko no atao fa ny Anao
Ho fiarovako ny anatrao, ny teninao
Ny fiainako manontolo no omeko Anao

F'izay no haiko hoe mahatsara ahy oh ou ohhhh

Refrain...

Oh ohhhhh

Ireo no antoky ny heriko (choeur)
Manainga ny foko hitia Anao Tompo o (Solo)
Manainga ny foko hitia Anao (choeur)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)
Hits : 159
Likes : 0 Like
Created by : joantsa
Date : 10/08/2025 11:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0218