Mahatsiaro (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro anao, mitomany anao ny foko
Raha tsy eo ianao ilay mameno ny fiainako
Ny tokinao no mijanona ato an-tsaiko
Toa sarotra ho ahy anefa izao ny miaina azy ireo
Mangina aho, manjombona isan'andro
Mitovy tsy miova, satria tsy mba anilanao
Ny hafatrao milaza hoe tsy hifandao
No hery mampahery ahy, na dia mafy

Ref:
Miverena ianao dieny izao
Fa malahelo loatra aho
Efa zatra anao aho
Tsy ho tantiko foana hoe tsy eo ianao
Fa ianao koa ve tsy mba malahelo ahy
Fa enao koa ve tsy mba mitomany isan'andro

Ireo namako no miezaka mba hampatony ahy
Fa toa ny namana aloha, dia miasa saina amin'ireo ahiahy
Malala oh, rahoviana indray vao hitako
Izaho tsy mba mahafoy anao, tsy mba manadino

Ref:
Miverena ianao dieny izao
Fa malahelo loatra aho
Efa zatra anao aho
Tsy ho tantiko foana hoe tsy eo ianao
Fa ianao koa ve tsy mba malahelo ahy
Fa enao koa ve tsy mba mitomany isan'andro

Fa ianao, ianao koa ve tsy mba malahelo ahy
Fa ianao koa ve tsy, Fa ianao koa ve tsy
Fa ianao koa ve tsy mba mitomany isan'andro

Miverenaaaaaaaaaa
    
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Anyah
Hits : 93
Likes : 1 Like
Created by : Fabie2000
Date : 25/07/2024 07:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1946