Inona no havaliko (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF : Inona no havaliko , havaliko ny soa nataonao ahy
Indro hasandratro ny kalisim-pamonjena ary antsoiko ny anaranao Tompo oh
Hanolotra sorona aho, ho fankasitrahana anao
Efaiko ny voadiko aminao Tompo oh, hanatrehan’ny vahoaka ( hanatrehan’ny vahoaka maminao )
Hiezaka aho hanatratra an’i Jesoa, Fa i Jesoa ihany no nambabo ny aiko
Eny toa lavorary toa ilay olombaovao , ho tahafin-janak’ondry
Ho tahafin-drenin’ondry, ho tahafin’ny andian’ondrinao
REF :
Hiezaka aho hiandry ny vahoaka anao, amin-kerimpo , tsy anterivozona
Tsy hanjakazaka , tsy hisandom-pahefana fa havaozin’ny fanahy
Fa havaozin’ny fanahy fa havaozin’ny fanahin-janakao
REF :
Inty aho Tompo oh , hanatrehan’ny vahoaka maminao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antsan'ny Fo Masin'i JesoaHits : 559
Likes : 0 Like
Created by : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Date : 20/12/2021 21:43