VAVAKA (ANDIAM-PIHIRA SERAFIMA AMBONDRONA FIRAISANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô! mba valio re ny vavaka ataonay izao
Mangatam-pamelana Aminao
ô ô ô! hiantrao ka mba hamindrao fo
Fa efa mila ho kivy tokoa

Tsinjo fa mamatotra anay ny fakam-panahy
satana mamandrika anay ety
Nefa ireo raha eo Ianao voatohitray
ka ampio ireto ondry maniasia

Ray ô! ny hadalana nahazatra hatrizay
Hitsio, soloy, fitiavana Anao
ô ô ô! hiantrao 'ty fanahy mirehareha
Fa efa lavo ka tsy afa-mandeha

Tsinjo fa mamatotra anay ny fakam-panahy
satana mamandrika anay ety
Nefa ireo raha eo Ianao voatohitray
ka ampio ireto ondry mania! Amen


RASOLONIRINA Joseph dit José
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ANDIAM-PIHIRA SERAFIMA AMBONDRONA FIRAISANA
Hits : 346
Likes : 0 Like
Created by : salohy
Date : 23/02/2016 22:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734