HANAIKY ANAO (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny rofy sy ny aretina sitraninyNy maty tany am-pasana natsangany
Izay manaiky fa maloto dioviny
Raha hoe FITIAVANA ilainao ananany
Nanaiky nampangininy ny rivotra
Ny fanahy ratsy nahita Azy, nangovitra
Ny fahefana rehetra am-pelatanany
Na fasana nihazona Azy afany
REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
Ampianaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO
2. F'izaho kosa de mpanota rendrika
Tena maloto am-poko ao tsy mendrika
Ny tananao no antenaiko hanafaka ahy
Anio aho hanoa Anao fa tena fay
REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
Ampianaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO
( x2 )
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)Hits : 567
Likes : 0 Like
Created by : Ckaye
Date : 06/06/2022 20:05