Harambatoko (Fy Rasolofoniaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tsy voatery hatanjaka foana ny sandriko
Tsy voatery ahajoro foana koa ny lohaliko
Na koe hoe tsy maintsy hazava foana ny lalàko
Raha malemy aho....

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao

2) Tompo ô! ny akaikinao no katsahiko
Fa miamangina ireo tafiotra ato anatiko
Misy fihiram-baovao mameno ny foko
Dia hihira aho (x2)

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao
......Ampy ahy Ianao,fialofako
        Manodidina ahy, fianteherako (x4)

Famerenana: Harambatoko Ianao
             Raha reraky ny miady aho
             Mihazona ahy ny tananào
             Mampatsiahy ahy,
             Fa eo foana ho ahy Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fy Rasolofoniaina
Vangy : 21192
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : joycehinah
Daty : 07/12/2018 18:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0142