HARAMBATOKO (Fy Rasolofoniaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tsy voatery hatanjaka foana nysandriko
Tsy voatery hijoro foana koa ny lohaliko
Na koe hoe tsy maintsy hazava foana ny lalàko
Raha malemy aho....

Famerenana: Harambatoko Ianao
Raha reraky ny miady aho
Mihazona ahy ny tananào
Mampatsiahy ahy,
Fa eo foana ho ahy Ianao

2) Tompo ô! ny akaikinao no katsahiko
miamangina ireo tafiotra ato anatiko
Misy fihiram-baovao mameno ny foko
Dia hihira aho (x2)

Famerenana: Harambatoko Ianao
Raha reraky ny miady aho
Mihazona ahy ny tananào
Mampatsiahy ahy,
Fa eo foana ho ahy Ianao
......Ampy ahy Ianao,fialofako
Manodidina ahy, fianteherako (x4)

Famerenana: Harambatoko Ianao
Raha reraky ny miady aho
Mihazona ahy ny tananào
Mampatsiahy ahy,
Fa eo foana ho ahy Ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Fy Rasolofoniaina
Visites : 15579
Préférés : 5 J'aime
Ajouté par : joycehinah
Date : 07/12/2018 18:51
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107