dobla sento (Naka Rabemanantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
midona aman-kalo ny oran-ko avymiafana kely ireo olo-manavy
ny fanantenany fa ho mando ny tany
no toa hampitony ny maso tomany
ny fo diso tiana, ny fo sara-tiana
manomboka kosa hisento mangina
mandefa ny sento hamaky ny foana
miampita ao an-tsofin’ ilay tsy anoloana
injany midina Ankaratra irony
na manembona mantsy ny fony
ny fon’ ilay tiana ka lavitra izany
dia tsy mba mionona, tsy mety mitony
ny fo mitempo mihevitra koa
hanala ny sento tsy toha
fa dobla sento mandeha iray dia
ho tonga santionan’ ny fo mifangia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Naka RabemanantsoaVangy : 6866
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rafara
Daty : 29/05/2007 11:39