Te mba ho... (TOVO J'HAY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 2443
Nampidirin'i : Tinah
Tamin'ny : 26/12/2002 17:34:16
ID : 1356

Imprimer Facebook Facebook
Misy fitiavana tiako lazaina
Reko mitempo reko miaina
Ao anatiko ao misy feo mitalaho
Mitaraina miantso anao.

    Toa manery toa tsy ho tanty
    Ilay vetso-po izay miery ao anaty
    Tsy mba mionona nefa tsy hay kobonina
    Ilay iray minitra hitiavako anao.

      Ref:Te ho eny aminao eny aho
          Te mba ho fiainanao
          Aza avela irery eto aho
          Fa te mba ho namanao.

Ilay tsikitsiky fanaonao iny
Azo sary an-tsaina rehefa iny aho mangigina
Tsy indray tsy indroa f’efa maro tokoa
Ilay bitsika milaza ao am-po.

     Misy nofy,misy vetso aingam-panahy
     Misy hery iray toa maloka ahy
     Mitombo isan’andro tsy mety miato.
     Mameno fo 100%

        Ref:Te ho eny aminao eny aho
            Te mba ho fihininao
            Aza avela irery eto aho
            Fa te mba ho namanao